Tsaratanana nodimandry ilay rangahy nikasa ny hanao député, ni-kidnapper-ndry zalahy, olona miisa valo izao no niakatra fitsarana, kandida député ny iray, kandida Tsaratanana. Notaperin’ireo naka azy ankeriny ny ainy, na dia efa nomena aza ny vola izay nilaina, na ny ampahany, sarotra ny nanangona ilay takalo, indrisy razana sisa no hitan’ny mpandalo. Kandida ho député no isan’ireo voarohirohy, mety ho seza ve ny ambony dia aleo aina no nafohy. Mbola miampy halatr’omby, tsy mandry Tsaranana, ilay andro natokana ho an’ny zandary sao atao any e. Mbola mirôzirôzy any kosa ry Dell kely sy ny ekipany, ireo mantsy ilay tena jiolahy namely. Ny loza dia efa business hikaramana mihitsy ny asan-jiolahy ary tena tsy mitsitsy. Olon-tsotra olom-boafidy, ny mpitandron’ny filaminana, miray tsikombakomba daholo dia samy mihinana; rehefa manao ny ataony izy nga mivazivazy, aza mitsitsy ratsankazo koa rehefa hanasazy. Fa hovonoina amin’ny afo ve ny afo, sa hitady vahaolana any amin’ny sehatra hafa, ilay karama ve no tsisy dia lasa manao ratsy sa ilay fifehezana fanabeazana no tsy ampy.