Lors de la célébration des 100 jours au pouvoir du Président de la République de Madagascar, son discours est clair conernant l’existence d’un réseau de kidnapping composé de magistrats, des avocats et des forces de l’ordre.
Niasa ny gendarmerie, fa miteny aminareo aho, fa misy réseau ngeza be ao anatin’izany fanaovana kidnapping izany, misy tompon’andraikitra ambony, misy mpitsara, misy zandary, misy miaramila, misy mpisolo vava, misy mpanao politika ao anatin’izany tambazotra fanaovan ny kidnapping izany.
Niasa ary tena betsaka ny olona lazaiko aminareo tratra tao anatin’izany fanaovana kidnapping izany. Misy sergent efa fantatra hoe ito mpanao kidnapping, nijerevena manana trano 4, manana fiara 4×4 , misy vola be tao an-trano fa tsy nasian’ny mpitandron’ny filaminana fa hoe rehefa nanao dia nanao.
Le discours complet
Resaka efa noresahako teto ny resaka kidnapping. Indraindray moa nihomehy mihitsy ianareo rehefa naveriko in-telo ilya izy hoe kidnapping kidnapping kidnapping, dia nihomehy ianareo tamin’izay. Fa zavatra marary ry zareo ilay kidnapping. Izao ny zavatra mamparary antsika. Tsy nisy fahasahiana nasehon’ny mpitondra teto amin’ny firenena. Fa eto misaotra ny SEG aho ao amin’ny gendarmerie, satria izao ny zavtara nitranga, nanontany ahy ry zareo: Mr Le president, tsy asiana indrafo ve? Tsy misy indrafo hoy aho. Mr Le president, hosamborina daholo ve na iza na iza? Sambory dahoalo hoy aho. Na ny namana na ny tsy namana? Tsy misy namana hoy aho.
Niasa ny gendarmerie, fa miteny aminareo aho, fa misy réseau ngeza be ao anatin’izany fanaovana kidnapping izany, misy tompon’andraikitra ambony, misy mpitsara, misy zandary, misy miaramila, misy mpisolo vava, misy mpanao politika ao anatin’izany tambazotra fanaovan ny kidnapping izany.
Niasa ary tena betsaka ny olona lazaiko aminareo tratra tao anatin’izany fanaovana kidnapping izany. Misy sergent efa fantatra hoe ito mpanao kidnapping, nijerevena manana trano 4, manana fiara 4×4 , misy vola be tao an-trano fa tsy nasian’ny mpitandron’ny filaminana fa hoe rehefa nanao dia nanao.
Maro ny tratra amin’izao isika miteny izao, efa mihoatra 53 mahery ny tompon’andraikitra rehetra rehetra voasambotra ao anatin’izany tambazotra fnaovana ny kidnapping izany. Ny zavatra nampatahotra dia ity, efa nanomboka ny Malagasy indray no nataondry zareo, nikisaka nikisaka nikisaka ry zareo fa mbola hakisantsika ihany. Fa efa mbola misy vitsivitsy any mbola mandeha fa ny ankamaroany amin’izao isika miteny izao dia efa tratra avokoa. Betsaka tamin’izy ireo no nanao aveu, nilaza niaiky ny heloka vitany, hoe izahay ni- kidnaper an-dRakoto, ni- kidnaper an-dRaby, anisan’izany, mialatsiny Mr Le Ministra fa tsy hoe mamoa fotamandry, fa anisan’izany ny zanaky ny Ministre an’ny Affaires Etrangères, tratra nanao kidnapping an’izany ary niteny izy hoe izaho no nanao kidnapping ny zanaky ny Ministre-ny Affaires Etrangères. Tratrantsika izany olona izany amintsika miteny izao. Fa maro ihany koa ny olona izay tratan’izany, dia tononiko eto moa satria efa fantatra efa nivoaka gazety, fa nanao kidnapping an’ireto olona rehetra rehetra ireto, tratra daholo amintsika miteny izao, nanao kidnapping an’i Mme Emetal, nanao kidnapping an’i Zaida Kzaraly, nanao kidnapping an’i Balou Naïd, Nimoustafa Irijy, Niaziz Abdoul sy ny Abdoul Rasoul tsy haiko intsony, tratra daholo izy rehetra rehetra ireo amin’izao isika miteny izao. Ny tiako lazaina, hisaorantsika, ary eto aho mba mangataka anareo, asivo tehaka mafy be ho an’ny foloalindahy, ho an’ny zandarimaria, fa tena niasa izy ireo, nijery an’izany zavatra rehetra izany.